La gendramerie malgache confirme les informations sur une évasion de prisonniers à Antanimora et publie des photos de deux des trois personnes en cavale.

COMMUNIQUE DE LA GENDARMERIE + PHOTOS :

« [FANDOSIRANA GADRA TAO ANTANIMORA]

Rehefa nandre kisendrasendra teny an-dalam-be tamin’ny alalan’ny fikaroham-baovao izay ataony toy ny mahazatra isan’andro ny Zandarimariam-pirenena fa nisy gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’Antanimora ny alin’ny 10 hifoha 11 febroary 2018 dia nanamarina izany teny an-toerana nadefa iraka, mba ahafahana mandray ny fepetra na dia efa somary tara ihany aza izany.

Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ny 11 febroary 2018, rehefa nanantona ny tompon’andraikitra tao amin’io fonja io ny lefitry ny komandin’ny brigady Betongolo dia nilaza izy fa nisy tokoa gadra telolahy nandositra ny fonja tamin’ny alalan’ny fihaniana rindrina tokony ho tamin’ny 12 alina ka hatramin’ny 1 ora maraina amin’ny daty voalaza etsy ambony saingy tsy mbola afaka nanome ny mombamomba ireo gadra izy ireo satria mbola mivory momba izany indrindra fa homena izany ihany ny mpitandro ny filaminana rehefa vita izany.

Tokony ho tamin’ny 2 ora tolak’andro, ny 11 febroary 2018 dia naterin’ny iraka avy any amin’ny fonja teny amin’ny ZP ny mombamomba ireo gadra ireo sy ny sarin’ny 2 tamin’ireo 3 nandositra, ka efa natao ny fanaparitahana izany tamin’ny toby rehetra mba handefasana zandary hanao ny fikarohana azy ireo.

1) RAKOTOARISOA HENINTSOA RAPHALQUE
26 taona, mirefy1,47m, misy holatra eo amin’ny hatony, ny tratrany ary ny sandriny.
Migadra 15 taona noho ny vono olona sy halatra

2) RAFALIMANANA NIRINA JEAN
29 taona, mirefy 1,59m, misy tatouage eo amin’ny avant-bras havanana.
Migadra mandram-pahafatiny noho ny fanaovana vola sandoka;

3) RAHARIJAONA SOLOFONIAINA (tsy nanome ny sariny ny fonja)
20 taona, mirefy 1,75m, misy tatouage sary fo sy soratra « fidèle » eo amin’ny avant-bras havanana, ary soratra « solofo » eo amin’ny sandriny havanana.
Voatana am-ponja vonjy maika noho ny halatra sy fanolanana.

FANAMARIHANA: Raha ny tokony ho izy dia vao mahafantatra ny fandosirana ny tompon’andraikitra eny amin’ny fonja dia efa milaza haingana amin’ireo tobin’ny Hery rehetra akaiky azy nny zava-mitranga sy ny mombamomba ny gadra nandositra mba ahafahana eo noho eo ihany manao ny fanenjehana sy fanakanana. Manaraka ho azy aoriana ny fanaovana ny avis de recherche izay « formalités » an-taratasy.
Tsara ny ahafantaran’ny olona fa misy isan’alina ny mpanao fisafoana ataon’ireo mpitandro ny filaminana ankoatra ireo « piquet » izay fiandry afaka manampy raha ilaina indrindra moa amin’ny trangana « évasion » toa izao. »